- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBen’ny tanànan’i Toamasina Ratsiraka Elisé : Tsy noraharahan’ny “TGV-MAPAR” ny fitokanana «...

Ben’ny tanànan’i Toamasina Ratsiraka Elisé : Tsy noraharahan’ny “TGV-MAPAR” ny fitokanana « ZAVA-BITA » nataony

Tsy nitovy tamin’ny fitokanana « zava-bita » nataon’ny ben’ny tananan’i Mahajanga, ny zava-nisy tamin’ny fitokonana ny « zava-bita » nataon’ny ben’ny tananan’i Toamasina, nefa samy voafidy sy samy ekipan’ny Tgv-mapar ihany ireto ben’ny tanana roa ireto. Tsy nisy mantsy na iray aza ny birao politikan’ity antoko ity niatrika ity lanonan’ingahy Ratsiraka Elisé teto Toamasina, na hatramin’Atoa Rajoelina Andry Nirina izay manao fitsidiham-paritra tamin’ny faritanin’i Toamasina aza tsy tonga niatrika izany ihany koa. Fitokanana ity ambarany hoe « bloc commercial » manana efitrano fivarotana 109, sy fametrahana ny mari-boninahitra « commandeur » tamin’ny ben’ny tanana ity lanonana natao ny zoma misandratr’andro tao Tanambao I Bazary kely ity. Manana olana sahady anefa ity zava-bita notokanana ity, satria tsy voahaja ny toky nataon’ny ben’ny tanana tam-pananganana azy. Maro tamin’ireo mpivarotra an-jatony nesorina teo amin’ilay « parking » nanangana azy, nahitana mpivarotra fanaka sy kidoro ary akoho amam-borona, dia tsy tafaverina, satria mitentina 30 hatramin’ny 50 tapitrisa ny efitrano iray ; izay ny fandoavana azy no hahazoana ny trano fivarotana avy hatrany. Nisy noho izany ny tsy fahafalian’ireo mpivarotra nofitahan’ny ben’ny tanana ireo izay nikasa naneho izany ny zoma teo nandritra ny lanonana, nefa nandrangaranga fahefam-panjakana nampiasany ireo mpitandro filaminana hisambotra sy handrava ireo mpivarotra mikasa nanao izany ny tenany. Ny nanaitra anefa dia tsy nisy nanao fanamiana amin’ny maha-mpitandro ny filaminana azy ireo nandritra izany. Raha ny fanazavana azo dia baiko azon’izy ireo tamin’ny lehibeny avy ny antony. Ankoatra izay dia nohararaotin’ny ben’ny tanana koa ny fotoana nanaovany fampilezan-kevitra amin’ny ho firotsahany fanindroany ho ben’ny tanana . Ny fahatsapana amin’ny fitrangan’izany indrindra no nahatonga ireo solon-tenam-panjakana tsy nisy niatrika ity lanonana tao bazary kely, ny zoma misandratr’andro teo ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici