Ankatroky ny fidiran’ny mpianatra isika ankehitriny, ka mihetsika amin’ny fanampiana ireto mpianatra isam-pokontany eto Toamasina ny ben’ny tananan’I Toamasina renivohitra Atoa Andrifanomezantsoa Alain sy ramatoa vadiny. Mpianatra 150 tao amin’ny fokontany Andranomadio P/elle 11/45 no notolorana fanampiana tamin’ny ben’i Tanana sy ramatoa vadiny, izay “kits scolaires” ahitana “cahiers” sy “stylos” ary “trousse” no natolotra. Nandritra izao fidinana ifotony nataon’ny ben’ny Tanana ihany koa no nanolorany fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo zokiolona tao Andranomadio, ka vary tanaty harona “sachets” no natolotra tamin’izany. Nilaza ny ben’ny Tanana fa “tsy ho ben’ny Tanana ny tenany raha tsy ny vahoaka no nifidy azy, ka manana andraikitra mijery ny vahoaka ao anatin’ny fahoriana misy amin’izao aho”, hoy ny ben’ny tanana’i Toamasina renivohitra. Milaza raha teo ny ben’ny Tanana fa tsy hijanona ao Andranomadio ihany ny fanampiana atao, fa hihitatra amin’ny fokontany samy faha indray tsy ho ela, ary ireo mpianatra sy zokiolona no tsy maintsy hahazo ny anjarany mandritra izany. “Tsy maintsy mifanampy eto foana isika, fa tsy afaka hijery anareo ao anatin’ny fahoriana ny tenako”, hoy hatrany ny ben’ny Tanana. Ankoatra izany dia tsy nanadino ireo mpianatra afa-mpanadinana tamin’ny CEPE sy BEPC ary BACC, ka narabainy manokana nandritra izany ireto mpianatra.
Malala Didier





