Raha ny fandaharam-potoana teo anivon’ny mpanolotsain’ny kaominina renivohitr’i Toamasina, ao anatin’ny fivoriana ara-potoana ataon’izy ireo nanomboka ny 25 may teo, dia ny alakamisy 3 jona teo no nifampitafa tamin’ny mpanatanteraky ny kaominina, notarihin’ny ben’ny tanana, Rakotonirina Nantenaina Herilala, izy 19 mianadahy.
Maro ireo nifampitafàna tamin’izany, nahatonga ireo mpanolotsaina sasany nasiaka tamin’ny mpanatanteraka noho ireo asa tsy mandeha amin’ny laoninina tsikaritra. Nampanantena tamin’ireto mpanolotsaina anefa ny ben’ny tanana fa hataony vaindohan-draharaha ny asa mikasika azy ireny manomboka izao, satria tsy fantatry ny ben’ny tanàna ny fisiany noho ireo tale eo anivon’ny kaominina tsy milaza ny marina mikasika izany.
Isan’ny asa miandry ny ben’ny tanàna ny fandravana ireo trano naorina tsy manara-dalàna eto Toamasina, izay efa mahatratra 100 mahery ny antontan-taratasy mikasika izany voarain’ny kaominina amin’ny alalan’ny “voirie”. Ny ankamoroan’izy ireo dia fanitarana trano manakaiky lalam-bahoaka, manery lalam-bahoaka, ary ao anaty lalam-bahoaka. Eo koa ny fametrahana fiantsonan’ny fiara samihafa eo anivon’ireo tsena eto Toamasina, indrindra fa ny ao Bazarikely, satria nanaovan’ny ben’ny tanàna teo aloha, Dr Ratsiraka Elisé, tsena ilay fiantsonan’ny fiara izay fivarotana akoho amam-borona teo aloha.
Isan’izany koa fanavaozana mba hanaraka ny vanim-potona misy ireo fifanarahana fanofana tany (bail) fananan’ny kaominina amin’ireo mpandraharaha manangan-javatra amin’izy ireny, mba tsy hiverenan’ny olana nitranga tamin’ny raharaha fananan’ny kaominina nampanofaina tamin’ny trano fisakafoanana iray teny amin’ny kianja monisipalin’i Toamasina. Ao anatin’izany, ohatra, ilay fifanarahana ara-panofana tany maro, izay vidina 600 ariary isaky ny m3, efa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy amin’izao intsony. Hatao koa izany rehetra izany mba hoentina manatsara ny fidiram-bolan’ny kaominina amin’ny olana ara-bola sedrainy ankehitriny, ka mahatonga ireo mpiasa manana olana ara-karama eo anivon’ny kaominina amin’izao.
Ankoatra izany, dia nampanantena ny ben’ny tanana Rakotonirina Nantenaina Herilala, fa tsy hananan-kavana ny fampandrosoa ny tanànan’i Toamasina, satria efa nilokalokana tao anatin’ny propagandy fa hatao ity. Manomboka izao dia tsy maintsy apetraka isaky ny departemanta sy ny fitaleavana eo anivon’ny kaominina ny fe-potoana hanaovan’izy ireo tsirairay avy ny asany hanatrarana izany fampandrosoana katsahin’ny vahoaka izany.
Malala Didier