
Mbola eo amin’ny tambajotra sosialy ihany no ahitàna an’izany. Milaza fa manana ny lazaadina 2025 ny mpisera ary miditra hafatra manokana izay mila. Toraka izany koa, ao anatin’ny tolotra ny laza adina mety hivoaka (sujet type). Misy tokoa ny roboka ary mandefa ny sarany. Vao lasa anefa izany dia sady tsy tonga akory ny laza adina no voasakana ny kaonty. Tsy misy na inona na inona azo atao intsony. Tsy afaka ny mitory satria mety hanahirana ny tohiny. Sady very vola araka izany no tsy nahazo ny laza adina. Mbola misy hatramin’ny Bacc koa io varotra sandoka io ary miantso ny fahamailoan’ny tsirairay araka izany, indrindra ireo ray aman-dreny izay mety ho voajono ao anatiny rehefa mieritreritra fa izay no hahombiazan-janany. Diso hevitra tanteraka satria raha ny marina dia tsy matoky ny fahaizan-janany ireo izay mividy izany no sady manapoizina ireo farany ihany koa.
D.R