WordPress database error: [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6023-1f8fd.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6023-1f8fe.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Bepc teto Toamasina : Nilamina tamin’ny ankapobeny -
- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6023-1f900.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_postmeta`

AccueilFaits-DiversBepc teto Toamasina : Nilamina tamin’ny ankapobeny

Bepc teto Toamasina : Nilamina tamin’ny ankapobeny

Nilamina tsy nisy ny olana, afa-tsy ny resaka fanadinoana taratasim-piantsoana sy ny kara-panondrom-pianarana ary ireo mpiadina tsy nahazo taratasy fiantsoana teny amin’ireo sekoly tsy miankina sasany noho resaka saram-pianarana, izay voavahan’ny lehiben’ny Cisco Toamasina I sy ny Dren atsinanana avokoa, ny ny fanadinana BEPC teto Toamasina sy teo anivon’ny faritra Atsinanana. Raha ho an’ny faritra Atsinanana dia miisa 10.067 ny mpiadina izay miparitaka amin’ireo toeram-panadinana miisa 541 amin’ireo Cisco miisa fito eo anivon’ny Dren Atsinanana. Raha ho an’ny Cisco Toamasina I dia miisa 5.788 ny mpiadiana voasoratra anarana tokony niatrika ny fanadinana BEPC, saingy ny alatsinainy teo dia niisa 274 no tsy tonga. Rangahy 52 taona no zokiny indrindra ka ao amin’ny toeram-panadinana Lycée Jacques Rabemananjara no misy azy, 09 taona kosa no zandriny indrindra izay avy ao amin’ny Cisco Brickaville, mpianatry ny Ceg ao Anivorano izy ary ao Fanasana kosa izy no miatrika ny fanadinana BEPC. Navitrika ny mpampianatra niatrika ny fiambenana sy ny fanaovana sekretaria tamin’izao fanadinana faharoa ara-panjakana izao, efa tsy manana trosa amin’ny fanjakana amin’ilay tambin-karamana rahateo ireo mpampianatra eto Toamasina. Raha ho an’ireo Cisco hafa dia miisa 1.809 ny ao Vatomandry, Brickaville miisa 2.411, Mahanoro miisa 1.440, Marolambo miisa 1.419 ary ny ao Toamasina II miisa 5.546. Manomboka ny alakamisy izao ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ka heverina ho vita ny faran’ny herinandro izao izany hahafahana mampiditra ny naotin’ny mpiadina anaty solosaina, satria mihevitra ny hamoaka ny voka-panadinana ny alatsinainy na ny talata izao fara-fahatarany ny Cisco Toamasina I sy ny Dren Atsinanana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6023-1f902.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`