- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversBeraketa : Zandary nitifitra nahafaty ny namany, nitifi-tena nony avy eo

Beraketa : Zandary nitifitra nahafaty ny namany, nitifi-tena nony avy eo

Zandary iray miasa ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Androy no nitifitra sy nahafaty ny namany zandary roalahy tamin’ny basiny, rehefa nentin-katezerana. Taorian’io ny lehilahy dia nitifi-tena saingy hatreto, raha ny fanazavàna azo avy tamin’ny zandary dia mbola naratra mafy sy miady amin’ny fahafatesana. Ny alakamisy hariva teo no nitragan’ity seho tsy faheno ity tao Beraketa any amin’iny distrika Bekily iny, tokony ho tamin’ny dimy ora teo ho eo. Araka ny tatitra azo avy tamin’ny zandarimarim-pirenena dia nisy lanonana ara-miaramila fanaovam-belirano ho fiaraha-miasan’ny rehetra amin’ny ady amin’ny asan-dahalo io andro io tany an-toerana. Nanotrona tany an-toerana avokoa tamin’io fotoana io tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny sy ireo manamboninahitry ny zandary mifehy iny faritra Androy iny. Tsy fantatra hoy hatray ny tatitra izay nahazo ity zandary iray mitondra ny galona kilasy faharoa ity fa « nivatravatra tamin’ny tompon’ny toeram-pisakafoanana iray izay nolazainy fa nanala baràka azy ». Niha-niakatra hatrany ny feo ary niezaka nandamina ireo namany sy ny lehibeny saingy vao mainka niakatra afo rahalehilahy. Niafara tamin’ny fandraisany ny basiny sy fanapoahany izany. Nidona tamin’ny rindrina ny bala ary nivily lalana ka niantefa teny amina zandary iray tao amin’io trano io, izay miasa ao amin’ny borigadin’Ambovombe. Maty tsy tra-drano ity farany. Samy taitra ny rehetra nahare ny feom-basy ka tao ireo namonjy nivoaka. Nisy zandary izay hafa, niezaka nifehy ity nitifitra izay toa tsy tompon’ny tenany intsony, hoy ny vaovao hatrany, ary niezaka naka ilay basy vao avy nipoaka teo. Teo am-pifampisintomana teo anefa no nirefotra fanindroany indray ity fitaovam-piadiana ka nahazo ilay saika hisintona izany. Maty tsy tra-drano koa io rehefa niantefan’ny bala. Raha mbola nisoamaritaka tamin’ny tranga ny rehetra, dia injany ihany koa nisy feom-basy fahatelo nivoaka tao amin’ilay efitra : nifiti-tena ilay zandary nahavanon-doza. « Naratra mafy ity farany ary tsy nahatsiaro tena ka nanao ny ezaka ny hamonjena azy ireo namany taorian’izay. Ireo roalahy voan’ny balany kosa efa vatana mangatsiaka no novantanina tao amin’io trano io ». Aina roa be izao no nafoy tao anatin’ny fotoana vitsy monja kanefa lanonana no natrehana. Nandray ny andraikiny ary nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany moa ny Sampana mpanampy amin’ny fikarohana heloka bevava Androy. Izany tokoa ny hoe ny tendrom-po tsy namana, indrindra fa misy basy eny an-tanana…

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici