
Tsy niandry ela mihitsy fa tao anatin’ny roa andro dia vita ny fisamborana, ny fanadihadiana ary ny fampidirana am-ponja an’ity mpitari-tolona eny amin’ny anjerimanontolo ity.
Tsy niandry ela akory, fa ny ampitson’ny nisamborana azy ihany, dia efa nikatona ny fanadihadiana momba an’i Berija Ravelomanantsoa, mpitari-tolona eny amin’ny anjerimanontolo. Mavesatra ny fiampangana azy, satria indray nitambatra tao ny fanohintohinana ny filaminana anatiny, ny firaisana tendro amin’ny mpanao ratsy ary koa ny fikasana hanongam-panjakana. Araka ireny efa voatatitra tamin’ny gazety omaly ireny, dia isan’ny voatondro ho tompon’antoka tamin’ny asa fanakorontanana izay nitanga tamin’ny faramparan’ny taona teo i Berija. Ny fanaparitahana ireo fantsika telozoro izay namaky ny kodiaran’ny fiara marobe izay nifamezivezy ny alin’ny Noely ary koa ny fikasana ny hanapoaka ny andrin-jiro teny Maharidaza, mba hanamaizinana tanteraka an’Antananarivo sy ny manodidina azy no tena isan’ny voatonona ho paik’ady notanterahana sy nokasaina hatao. Itsy voalohany dia efa tanteraka ary nampihidy vazana ny fianakaviana maro teto an-drenivohitra, izay avy niangona ny ankamaroany ny alin’ny Noely dia vaky kodiarana. Itsy faharoa kosa mba tsy tontosa rehefa voasakan’ny mpitandro ny filaminana ny fanapoahana avy amin’ny alàlan’ny angom-baovao nataony. Fantatra ihany koa fa ny hisian’ny korontana tanteraka no tena tanjona nandritr’iny fetin’ny faran’ny taona iny : rehefa maizina tanteraka ny tanàna dia avy amin’izay ny mpandroba marobe hanao ny asany. Izany rehetra izany dia toa midika fa efa nisy tambajotra maty paika tao anatin’ny hetsika rehetra izay nokasaina hatao. Ny olona telo tamin’ireo, izay firaisana tsikombakomba ny vesatra nahazo azy ireo, dia nalefa eny Antanimora raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Tsy notazonina ela mihitsy i Berija fa vita tao anatin’ny roa andro ny fisamborana sy ny fanolorana azy teny amin’ny fampanoavana ary koa ny fampidirana am-ponja azy. Heverina fa nanamora ny fanadihadiana ny fahitana ireo hafatra fohy sy ny lisitry ny olona nifanerasera taminy tato ho ato. Isan’ny hita tao ny kolonely iray izay isan’ny nanontaniana ihany koa mahakasika an’izany. Afaka namonjy ny fodiany io rehefa afaka nanazava ny heviny.
D.R