- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBerija Ravelomanantsoa : Nolavina fanindroany ny L.P

Berija Ravelomanantsoa : Nolavina fanindroany ny L.P

Nanapa-kevitra ny fitsarana, ny hanemotra amin’ny alakamisy hoavy izao, ny famoahana ny didim-pitsarana mahakasika ireo mpitari-tolona roalahy, Berija Ravelomanantsoa sy Sambahita Aimé François. Izany no natao dia noho ny tsy fahampian’ny porofo anenjehana an’i Berija. Ilain’ny fitsarana ireo fanamafisam-peo (megaphone) izay nampiasain’ireo mpitari-tolona. Torak’izan y ihany koa ny finday sy ny solosaina izay nolazaina fa feno porofo izay mirakitra ny asa fanakorontanana, anton’ny nanenjehana azy ireo eny amin’ny fitsarana. Omaly ihany koa dia nolavin’ny fitsarana fanindroany indray ny fangatahana fahafahana vonjimaika noho ny antony ara-pahasalamana manjo an’i Berija. Nolavina torak’izany ihany koa ny fangatahana hamindràna azy eny Antanimora raha toa ka tsy ekena ny fahafahany vonjimaika. Raha araka ny fanazavan’ny Me Willy Razafinjatovo (Olala) dia tokony ho anjaran’ny mpitory no mitondra ny porofo rehetra izay anenjehany ny olona toriana. Tsy izany anefa no mitranga amin’izao, raha ny mahakasika ny” Raharaha Berija sy Sambahita”. Raha ny fanazavan’io mpisolovava io dia tsy hampakatra ny raharaha  eo anivon’ny fitsarana ambony akory izy ireo. Izany dia mba hampamarim-pototra ny didy izay hivoaka amin’ny 29 janoary izao. Ireo mpianatra izay tonga nanotrona teny an-toerana indray nilaza fa tsy hipetrapetraka fotsiny amin’izao izy ireo, mandra-pisian’ny didy izay manafaka an’i Berija sy Sambahita. Hisy ato ho ato ny fanapahan-kevitra horaisina avy amin’ny alàlan’ny fivoriana izay hotanterahin’izy ireo, raha araka ny nambaran’ireo mpianatra hatrany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser