Moto « crosse » roa avy any Tsaratanàna tampon-tanàna handeha ho any Andranomamy indray no lasibatry ny jiolahy teo Beririna ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina. Jiolahy maramaro tsy voafaritra isa no avy hatrany dia nanakana ny làlana nizoran’ny kodiaran-droa. Voatery nijanona ny mpamily noho izany kanjo dia noteren’ireo malaso. Nambanany tamin’ny basy sy antsy lava ilay mpamily, ary nasainy nomena avokoa ny vola rehetra teny aminy. Ny sasany kosa nandrahona ny mpandeha tsy hisy hitabataba. Tsy afa nanoatra moa ireo manolona ireto olon-dratsy ka tsy maintsy nanome, izay mitentina telo hetsy ariary. Tsy nijanona ela ireo dahalo fa nitsoaka nandositra avy hatrany raha vao nahazo io vola io. Taorian’izay dia nampandrenisina ny mpitandro ny filaminana, saingy efa tsy nahatratra ireo jiolahy intsony nony tonga teny amin’ilay toerana. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ataon’ny zandary.
Ratantely