- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversBerivotra 5/5- Maevatanàna : Jiolahy raindahiny roa lahy, maty voatifitra

Berivotra 5/5- Maevatanàna : Jiolahy raindahiny roa lahy, maty voatifitra

Tsy mikely soroka ary tsy mandry alina na antoandro ny zandary amin’ny famahana ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana, mba hilaminan’ireo mponina tsirairay avy, na avy any ambanivohitra na ihany koa avy amin’ny tanàna ambonivohitra. Noho izany dia nahasambotra jiolahy telolahy malaza amin’ny resaka halatra omby ny zandary, avy ao amin’ny  » Poste fixe Berivotra 5/5, nandritra ny tsena isan-kerinandro amin’ny andro talata ao amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny andron’ny faha-18 jona 2024 teo iny.

Azo sambo-belona ry zalahy ireto, ary noho ny tsy fisian’ny efitrano fanaovana andrimaso ao amin’ny Poste fixe Berivotra 5/5  dia nampidirana tao anatin’ny fiara tsy matahodalana, na fiara 4×4, marika Nissan, an’ny zandarimariam-pirenena eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, izay mivezivezy amin’ny faritra mena amin’ny lalam-pirenena fahefatra ireto jiolahy telolahy ireto. Teo no nanararaotra tamin’izany toe-javatra izany ny jiolahy voasambotra, sady nitsoaka nalaky tamin’ny fiovahana ny fiara. Nisy avy hatrany ny fifanenjehana, ary fandavana ny fanarahan-dalàna, taorian’ny fampitandremana maromaro, ka nanery ny hampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ny zandary. Vokany: Jiolahy roa no maty voatifitry, izay fantatra amin’ny anarana fiantso hoe Tombo,  raha tafaporitsaka afaka nandositra kosa ilay lehilahy antsoina hoe Ponina, monina eny Ambodibonara, kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5 hatrany. Taorian’izay no nampandrenesina nalaky ireo mpitandro ny filaminana manodidina eny amin’ny kaominina rahavavy, amin’ny fanarahan-dia sy fikarohana an’ilay nandositra, ary nohamafisina ihany koa ny fanaovana  » patrouille » iarahan’ny fokonolona sy ny zandary ao Ambalabongo. Hatreto dia efa manohy ny fikarohana ny zandary amin’izao fotoana izao, sady manohy ny fanadihadiana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici