- Publicité SW45 -
samedi, décembre 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBerivotra 5/5- Maevatanàna : Voasambotra ilay namono nahafaty ny vadiny sy lehilahy hafa

Berivotra 5/5- Maevatanàna : Voasambotra ilay namono nahafaty ny vadiny sy lehilahy hafa

Mihazakazaka be tokoa ny raharaha rehefa eo am-pelatanan’ny Zandary, makasika ny fikarohana an’ilay lehilahy namono nahafaty olona roa tany Andakavaky( Ankara) Antsapanana, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano iny ny talata hifoha alarobia 31 jolay taona 2024 teo iny. Ny harivan’ny alarobia tokony tamin’ny fito ora teo no voasambotry ny Zandary tao an-tampon-tanànan’i Berivotra 5/5, ilay lehilahy antsoina hoe: Remanary dit Nary namono vady sy lehilahy iray hafa tamin’ny tsindrona antsy. Vaovao azo tamin’olona tsara sitra-po no nahazoan’ny mpitandro ny filaminana ny loharanom-baovao marim-pototra, amin’ny fihafenanan’ i Nary tany amin’ny toeran-kafa, manamorona ny trano fonenany. Raha hiverenana tokoa ny zava-nitranga dia nifamaly tamin’ny vadiny, izay fantatra amin’ny anarana hoe: Linivola ity farany tao Berivotra 5/5 ny sabotsy lasa teo. Taorian’izay fifamaliana teo aminy sy ny vadin’izay, dia nanam-pakevitra ny hiala sy nandeha namonjy fodiana tany amin’ny ray aman-dreniny niterak’azy tany Andakavaky i Linivola, mba fisoroana ny ady tsy hitatra. Ny talata hariva teo dia nanaraka an’ilay vadiny i Nary, satria nanery azy loatra ny hangaomana taminy, tao ihany koa ny hatsiaka sy ny  » chiffre 04 , » nahazo azy irery teo ambonin’ny fandriana natoriany. Taitra tampoko anefa Remanary dit Nary, raha nahatazana ny vadiny, tafaresaka tamin’ilay lehilahy namany antsoina hoe: Momo no nisintona ny antsy fisisika teo ambalahany. Tsy niandry ela ity farany, rehefa nahatsikaritra izany, fa tonga tamin’ny fanidromana antsy avy hatrany. Vokany: voakapa antsy teo amin’ny tanany sy ny lamosiny ilay vadiny,  maty  avy hatrany i Momo kosa dian’antsy teo amin’ny kibony. Vetivety teo dia dia lasa nitsoaka nalaky nandositra i Remanary, izay navanon-doza. Nohezahin’ny fokonolona noentina namonjy hôpitaly kosa i Linivola, saingy teny am-pitondran’azy teny an-dalana dia nihala ainy ny tenany, ka izay no nitarika ny fahafatesany. Niroso tamin’ny fikarohana ireo mpitandro ny filaminana, izay notarihin’ny lehiben’ny borigadin’ny Zandary eto Maevatanàna, ka ny harivan’ny alarobia lasa teo, tokony tamin’ny fito ora no voasambotra i Remanary dit Nary, ary nentina natao andrimaso aty Maevatanàna an-tampon-tanàna, mba hanokafana fanadihadiana sy famotorana. Ny Zandary dia tsy milefitra hoan’ireo olon-dratsy sy izay olona manam-pikasna hadika lalàna eto amin’ny tany sy ny firenena.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici