- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBerivotra 5x5 : Fitifirana lehiben’ny tobin’ny Zandary, olona telo no voasambotra.

Berivotra 5×5 : Fitifirana lehiben’ny tobin’ny Zandary, olona telo no voasambotra.

Telolahy tamin’ireo roapolo voatondro fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpadanja volamena sy fitifirana an’ilay Adjida lehiben’ny tobin’ny Zandary vonjimaika, na «  Poste Avancé », ny herinandro lasa teo no voasambotry ny mpitandro ny filaminana. Rehefa vita moa ny famotorana lalina an’ireo voarohirohy izay voalaza fa mponina any amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5×5 avokoa, dia natolotra ny fampanoavana izy ireo, ka naiditra am-ponja vonjimaika. Mbola mitohy hatrany kosa ny fikarohana ny naman’ireto jiolahy mbola tsy hita hatramin’izao, hoy hatrany ny  loharanom-baovao voarainay avy amin’ny mpitandro ny flaminana mandray an-tanana ny raharaha. Tsiahivina fa tamin’ny talata 29 may lasa teo, tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany hariva  no fantatra fa hamonjy ny fanafihana nataon’ireo jiolahy an’ilay mpndanja volamena io Adjida io, ka raikitra teo ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tamin’izay no nahavoatifitra an’io mpitandro ny filaminana io teo amin’ny tongony havia izay nahitana diam-bala miisa sivy. Lasa nitsoaka rehefa voaheligelina ireo olon-dratsy, ka tsy tanteraka ilay fandrobana mpadanja volamena avy eto Maevatanàna. Ilay Zandary voatifitra kosa nentina malaky tetsy amin’ny hopitaly be Maevatanàna.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici