- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBerivotra 5X5-Maevatanàna : Dahalo telo maty voatifitry ny Zandary.

Berivotra 5X5-Maevatanàna : Dahalo telo maty voatifitry ny Zandary.

Dahalo telolahy no lavon’ny balan’ny Zandary, roa tafaporitsaka, basy vita gasy iray sy bala roa azo. Tao amin’ny Kaominina Berivotra 5X5, disitrikan’ i Maevatanàna, no nitrangan’izany ny Alarobia 18 Oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 04 ora hariva. Araka ny tatitra voaray avy amin’ny Kaomandany Kaompany dia, malaso dimy lahy  nitondra basy no nifanehitra tami’izy ireo nandritra ny hetsika nataon’ny Zandary. Nisy avy hatrany ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, tao an-toerana antsoina ambony atsimo. Dahalo telo no maty voatifitra ary roa hafa kosa lasa nandositra, fa basy vita gasy iray sy bala roa no tavela. Mbola mitohy ny fikarohana ireo dahalo hafa. Misy hatrany ary mitohy ny hetsika ataon’ny mpitandro ny filaminana, fa tsy hijanonana hatreo, fa hamongotra hatramin’ny farany ny asan-jiolahy izay mitady hanjaka ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna , hoy hatrany Lietinà-kolonely Jeanelisy Armand lehiben’ny vondrom-paritry zandarimariam-pirenena ato Betsiboka,nanadritra ny fidinanan’ny tany an-toerana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici