- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversBerivotra 5X5-Maevatanàna : Lehiben’ny tobin’ny Zandary vonjimaika, voatifiry ny dahalo

Berivotra 5X5-Maevatanàna : Lehiben’ny tobin’ny Zandary vonjimaika, voatifiry ny dahalo

Nandratra Zandary indray ireo dahalo. Mbola karohana ireo mpanafika hatramin’ izao. Nahazo vahana kosa ny fanafihana sy ny fandrobana tato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Efa nisy ny fepetra noraisin’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ity tsy fandriampahalemana ity. Zandary iray lehiben’ny  tobin’ny Zandary vonjimaika na Poste Avancé, Adjidà no naratra voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tao amin’ny fokontany sy Kaominina ambanivohitra Berivotra 5X5, no nisehoan’ny fifandonana tamin’ireo malaso handrava mpadanja volamena iray avy eto Maevatanàna, ny talata heriny lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Araka ny fanazavana voaray avy tany an-toerana  ,nirefotra ny basy nentin’ireo dahalo roapolo lahy , ka taitra ny manodidina sy ny mpitandro ny filaminana raha naheno izany,ary tonga teny an-toerana nalaky ny Zandary ka nifanehitra tamin’ireo dahalo. Raikitra ny fifampitifirana, tamin’izay no nahavoatifitra an’io mpitandro ny filaminana io teo amin’ny tongony. Lasa nitsoaka rehefa voaheligelina ireo olon-dratsy, ka tsy tanteraka ilay fandrobana mpadanja volamena. Ilay Zandary voatifitra kosa, nentina malaky tetsy amin’ny hopitaly be Maevatanàna ; izay mbola manaraka fitsaboana ihany koa  hatramin’izao anoratanay ny lahatsoratra izao. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ataon’ny Zandary ireo jiolahy nanafika.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici