Na dia voasokajy ho anisan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo aza ny eto Betsiboka, dia miavaka kosa ny ao amin’ny Kaominina Berivotra 5X5 sy ny Kaominina Andriba. Araka ny vaovao voaray nampitain’ny Kaomandan’ny tombim-pileovan’ny Zandariamariam-pirenena ato Betsiboka, ny Lietinà-kolonely Zanelisy Aramand, nandritra ny fihaonany mivantana tamin’ireo vahoaka marobe,ny alarobia lasa teo tany an-toerana mantsy dia nametraka paikady izy ireo ka nahitam-bokany izany. Anisan’izany ny fanaovana dina ifampifehezan’ny mponina. Raha misy fanafihana mitranga ao amin’ny fokontany iray dia tsy maintsy manara-dia ny fokonolona miaraka amin’ireo fokontany sasany manodidina, fa raha tsy izany dia mihatra ny dina. Ny lehilahy izay tsy mety mandray andraikitra kosa, iharan’ny sazy. Vokatr’izany dia lasa milamina ny tanàna ary nanaiky fa hanatanteraka ny dina hifampifehezana ny olona rehetra, nandritra ny fihaonana mivantana tamin’ny lehiben’ny Zandary . Ahitana fokontany miisa 21 moa ny ao amin’ny Kaominina Berivotra raha 32 kosa ny any amin’ny Kaominina Andriba.
Ratantely