- Publicité SW45 -
vendredi, février 14, 2025
AccueilFaits-DiversBeroroha : Ady lova, vehivavy iray maty voatetika antsy

Beroroha : Ady lova, vehivavy iray maty voatetika antsy

Mihabiby ny olona amin’izao ka tsy mifandefitra intsony na dia samy mpihavana izao aza. Ny asabotsy hariva teo dia mpirahavavy niady lova no nifampitetika tamin’ny antsy tany Beroroha. Nandriaka ny rà. Tsy nananany antra fa avy hatrany dia notetitetehany tamin’ilay zavamaranitra ny rahavaviny,  maty tsy tra-drano vokatr’izany. Niatomboka tamin’ny fifamaliana momba ity ady lova ity ny raharaha. Nihejan-droa ny tady avy eo ka samy nanao vava na ny andaniny na ny ankilany. Tamin’ny ora farany anefa dia tsy nahatsindry fo ny iray ka nandray antsy, dia niafara amin’izao vono olona mahatsiravina izao. Lasa nitsoaka ilay nahavanon-doza ka mbola karohana hatramin’izao.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser