Saika isan’andro andrenesana halatra omby foana any amin’ny distrikan’i Beroroha, faritra Atsimo Andrefana. Farany teo, malaso roa matin’ny mpitandro filaminana. Noho ny firongatry ny asan-dahalo tato ho ato, nanapakakevitra ny tompon’andraiki-panjakana sy ny mpitondra any an-toerana nanomboka ny alakamisy teo ary nametraka ny « couvre-feu » na ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina ka hatramin’ny dimy ora maraina izany. Raha ny fanazavana dia io no vahaolana hita aloha hatreto hisorohana ny asa ratsy hisian’nyy fahalemana. Raha ho an’ny distrikan’i Beroroha manokana dia samy mampiraviravy tànana ny vahoaka na ny malaso na ny firongatry ny andiam-balala mamotika voly hatramin’izao ka anaovan’izy ireo antso avo amin’ny mpitondra mahefa, raha ny fanazavan’ny depiote Iharifanja.
Manitrisa