- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversBeroroha : Fangahatam-bady niafara tamin’ny vono olona

Beroroha : Fangahatam-bady niafara tamin’ny vono olona

Niafara tamin’ny rà latsaka, ny lanonam-pianakaviana natao tany amin’iny faritra Beroroha iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Vehivavy iray mantsy no maty voatifitra tao anatin’ny lanonana fampakaram-bady izay natao tao amin’ny fokontany Besavoa,  kaominina Mandronarivo. Fomba any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny no manapoaka basy rehefa misy lanonam-pianakaviana ary indrindra ao anatin’izany fampakaram-bady izany. Mazava ho azy, fa mitobaka tanteraka ihany koa ny zava-pisotro mahamamo. Tamin’io fotoana io ary, niezaka ny nanapoaka izany basy izany ny lehilahy iray izay efa mamo. Tsy tafakatra ambony anefa tamin’io fotoana io ny lohan’ny basy ka niantefa teny amina trano iray nifanila ny bala, ary nahavoa ramatoa iray tao amin’io trano io. Maty tsy tra-drano araka izany ilay ramatoa niantefan’ny bala. Rava tanteraka teo ny lanonana vokatr’izay. Resaka vono olona eto ny resaka, eny fa na dia tsy fanahy iniana aza. Fantatra araka izany fa nentina ary voatery notazonin’ny zandary ity rangahy nahafaty olona ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici