- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBeroroha : Maty voatifitra ilay lehiben-dahalo nanafika ilay taxi-brousse

Beroroha : Maty voatifitra ilay lehiben-dahalo nanafika ilay taxi-brousse

Lavon’ny mpitandro filaminana ny faran’ny herinandro teo iny, i Maromanana, lehiben’ny dahalo isan’ny nanafika ilay fiara Bilomalaza, tao Berenty/Beroroha, ny antoandron’ny 21 jona lasa teo, izay nahafatesana mpandeha miisa 31 sy naharatrana olona tsy manan-tsiny 19.  Nandritra ny fifadonana dia fito tamin’ireo naman’ ity lehiben-dahalo ikoizana any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ity no tafaporitsaka, raha malaso roa hafa azo sambo-belona. Raha tsiahivina dia avy Toliara hihazo ny distrikan’i Beroroha ity fiarabe mpitatitra olona sy entana ity no notifirin’ny dahalo teo amin’ny fihaonan-dalana mihazo an’i Beloha ny kodiaran’ ilay taksiborosy ka latsaka anaty hantsana ary nivadika ambony ambany. Niliba avy eo ireo malaso naka ny vola sy ny entany tiany zakany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici