- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversBeroroha : Tonga ny « groupe » roa an’ny Jirama, solon’ireo may

Beroroha : Tonga ny « groupe » roa an’ny Jirama, solon’ireo may

Ho afa-pahasahiranana ny vahoakan’i Beroroha ary amin’ity faran’ny herinandro ity raha tsy misy ny sampona dia tsy hiaina intsony ao anaty haizin-kitroka, taorian’ny fahatongavan’ny « groupe » anakiroa, an’ny Jirama, vaovao any an-toerana, manana tanjaka 55 Kilowatt avy.  hasolo ireo milina mpamokatra herinatra telo hotohoton’ny afo, ny alin’ny alakamisy lasa teo izy ireo. Nomarihan’ny avy ao amin’ny Jirama fa 50 Kilowatt isan-kariva ny filan’ny mponina any amin’ity distrika faritra mena mbola anjakan’ny asan-dahalo ity. Inoana, araka izany, fa hamaha ny olan’ny famatsiana herinaratra ireto milina vaovao vao tonga ireto, ary miasa andro aman’alina amin’ny fametrahana azy ireo teknisianina nalefa any an-toerana, hoy hatrany ny avy ao amin’ny Jirama.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser