- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversBesalampy : Botry nitondra olona am-polony, an-tsokosoko avy ny Mahajanga

Besalampy : Botry nitondra olona am-polony, an-tsokosoko avy ny Mahajanga

Mpandeha miisa 18, niaraka tamin’ny zazakely efatra, nampian’ireo mpanamory sy tantsambo fitolahy, ireo no saika hiditra an-tsokosoko tao amin’ny faritra Melaky, raha niala tany an-drenivohitr’i Boina ny faran’ny herinandro lasa teo. Soa ihany, nisy nampandre ara-potoana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy.

Araka ny fantatra dia niala tao Mahajanga ny alin’ny zoma lasa teo ity botry iray, nitondra ny anarana hoe «Jaohary» ity, ary nigadona tao Besalampy ny talata lasa teo. Manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina sy fisorohana ny tsy hiparitahan’izany dia nandray fepetra ny hanidy ny faritra Boeny sy ireo faritra hafa ny fitondram-panjakana. Tsy nahazo alalana ny hivoaka ny faritra nisy akory araka izany ity botry ity ary voalaza ihany koa fa tsy nisy natao fitiliana araka ny nampitain’ny Goverinoran’ny faritra Melaky ireo mpandeha ao anatiny. Raha vao nahazo ny vaovao araka ireo tompon’andraikitra tany an-toerana dia nahetsika avokoa ireo mpitandro filaminana manamorona ny ranomasina, hitily izany botry izany. Ny talata lasa teo, raha vao tazana teny am-bavavinany (fihaonan’ny ranomasina sy ranomamy) fotsiny dia efa nisy mpitandro filaminana, zandary sy polisy nitsena sy niambina azy ireo sao misy midina an-dalana. Ireo mpikambana teo anivon’ny OMC, mpitsabo ary ireo tomponandraikitra misahana ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina (Apmf) tao Besalampy no nandray ireo olona ireto vao nigadona an-tany maina. Nogiazana avy hatrany ity sambokely ity. Nentina natao fanarahamaso sy nahiboka ao anatin’ny 14 andro kosa ireo mpandeha rehetra tao anatin’ilay botry. Tetsy andanin’izany, nosamborina teo no eo ihany ireo tatsambo sy mpanamory ary nentina avy hatrany natao fanadiahadiana sy famotorana, alohan’ny hanolorana azy ireo eny am-pelan-tanan’ny fitsaràna. Nanamarika hatrany ireo tomponandraikitra tany an-toerana fa zava-doza ny tsy fanarahan-dalàna, indrindra fa ao anatin’ny valanaretina toa izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici