Taorian’ny fandalovan’ny andro ratsy nitondra ora-nikija farany teto amintsika iny, dia nisesisesy tato ho ato ny loza an-drano. Raha ny vaovao voaray, rendrika ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny valo ora, tany akaikin’i Ampongobe, fokontany Anosimboalavo, any amin’ny distrikan’i Besalampy, ny botry « Fanomezantsoa » izay nitatitra ny solika hoentina mampihodina ny Jirama any an-toerana. Dobo an-dranomasina niaraka tamin’ity sambo rendrika ity ny soliky ny Jirama miisa 45 barika niaraka tamin’ireo kojakoja fanamboarana trano, fanitso, menaka sakafo anaty « bidon » 20 litatra, moto ary fitaovana samihafa nentin’ilay botry. Raha vao nitranga ny loza, dia nisy sambokely mpanarato nanavotra an’ireo sivy lahy nanamory an’ity botry, ka avotra soa aman-tsara izy ireo. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity loza ity, fa ilay botry kosa natelin’ny ranomasina niaraka tamin’ireo entana nentiny. Hatramin’izao, mbola mandeha ny fikarohana an’ilay botry rendrika izay ifarimbonan’ny Jirama sy ny Zandary, ary misy koa ny tolo-tanana avy amin’ny orinasa NACB-AQUALMA amin’ny fitadiavana ireo soliky ny orinasa Jirama, satria efa sahirana mafy amin’ny famatsiana herinaratra amin’izao ny any amin’ity distrika saro-dalana ity.
Eric Manitrisa