Ity Tranga iray nihatra tamin’ny fianakaviana iray ao amin’ny tanàna atao hoe Ambonara, kaomina Mahabe, distrika Besalampy ity, dia manaporofo fa tsy voahaja mihitsy ny lalàna any amin’ireo faritra sasany izay mampihatra ny Dina. Raha natao hifampifehezana mba hiarovana ny olona sy ny fananany ity rafitra iray ity, dia lasa natao hangalarana sy hamonoana olona an-kitsirano tsotra izao amin’ny alalan’ny Fitsaram-bahoaka. Nitaraina ity fianakaviana iray ity, nandritra ny tafa nataon’ny solontenan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety, fa norobain’ny mpiray Dina any amin’ity kaomina ity ny ombin’izy ireo miisa 106. Nitranga izany ny volana novambra 2015 noho ny vono olona niseho tany amin’io distrika io. Araka ny fitantarany, dia tsy nisy nidiran’ity fianakaviana ity mihitsy raha io vono olona io. Tovolahy iray izay niasa tao aminy no nahavita izany tany amin’ny fokontany Morafeno, kaomina Bekodoka, mbola ao amin’ny Distrika Besalampy hatrany. Roa lahy izy ireo no namono olona roa izay voalaza fa nampiasa azy ireo mba handroaka omby nentina eny Mahitsy. Novonoin’izy ireo ireto mpampiasa azy ireto satria hono, tsy nandoa ny karaman’izy ireo. Nosamborin’ireo mpiray Dina ary ity tovolahy ity, fa ilay namany kosa dia tafatsoaka. Nentina tany amin’ity fianakaviana niasany taloha ity ilay tovolahy ary dia noterena iry voalohany handoa omby 90 ho onitra amin’ny havan’ny maty. Tsy vitan’izay, fa vatan-dehilahy efa ho 1000 mahery no tonga tao an-tanàna hitaky io onitra io. Fitakiana izay naharitra dimy andro ka nandritra izany dia ity fianakaviana ity daholo no niantoka ny sakafon’ireo olona an’arivony ireo. Omby am-polony no maty, ripaka ny vary tao an-tsopitra. Rehefa azon’ireto olona ireto izay nilainy, dia nentin’izy ireo niaraka taminy fa tsy mba natolotra ny Mpitandro filaminana akory ilay tovolahy voalaza fa namono olona. Nony lasa lavidavitry ny tanàna anefa dia notifirina io tovolahy io ka maty. Manoloana izany, nilaza ity fianakaviana ity fa efa nametraka fitarainana teo anivon’ny zandarimaria, ny fitsarana tamin’izany fotoana izany.Toa tsy nisy tohiny mihitsy anefa izany fitarainana izany mandraka ankehitriny, dimy taona aty aoriana. Milaza ihany koa ny mpitondra tenin’izy ireo, fa efa nisy ny taratasy fitarainana nalefa tany amin’ny « Bureau de Doléance » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy any amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana fa mbola tsy misy valiny izany hatramin’izao.
T.M.