Trangan’aretina hafahafa no niseho tany amin’ny disitirikan’i Beasalampy tamin’ny herinandro lasa teo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa mpianatra eo amin’ny 30 eo no voan’izany. Ankizy eo anelanelan’ny 11 taona ka hatramin’ny 18 taona no tena voa. Mitovitovy hatrany ny fisehoan’ny aretina, mihinjakinjaka dia mirediredy amin’ny teny tsy fantatra ireo mpianatra ireo. Avy eo, tsy mahatsiaro tena ary misy faroratra mivoaka ny vavany. Ny vaovao nampitaina avy any an-toerana hatrany no hilazana fa rehefa miteniteny ireo ankizy ireo dia misy anaran’olona iray tononiny. Olona izay voalaza fa anisan’ny tompon’andrikitra amin’ny fampianarana any ihany. Eo anoloan’izany zavatra izany dia nafindra toerana ilay olona voatonontonona. Mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao fa toa misy resaka famosaviana ity zavatra ity. Ao koa no milaza fa ny resaka satanika novohizina fotoana elaela izay ity miseho lany any an-toerana ity indray. Efa misy ny fandraisana andraikitra eo amin’ny mpanabe sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra manolona ny zavatra misy.
r.s.