Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana enina indray no ravan’ny polisy tao Besalampy, rehefa avy nanao ny asa ratsiny, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny loharanom-baovao, dia ny 29 aogositra tokony ho tamin’ny 7 ora hariva no nanafika mpivarotra avy nivaro-bokatra nandeha tamin’iny làlana Analangidro iny ireto jiolahy ireto. Nambanan’izy ireo basy ireo olona ireo rehefa nosakanany. Voaroba avokoa ny vola mitentina 35 tapitrisa ariary, finday maromaro mitentim-bidy 15 tapitrisa ariary, ary lamba maromaro. Noho ny hafainganan’ny antso voarain’ny polisy, dia nidina tonga ara-potoana teny an-toerana izy ireo ka voasambotra tamin’izany ireo jiolahy enina; izay mbola lasa lavitra raha nikasa hitsoaka. Mbola tra-tehaka teny amin’izy ireo ny fitaovana nampiasainy toy ny basy vita gasy roa, famaky roa, antsy lava ary ody gasy maromaro. Tontosa moa izao fanamboarana izao noho ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona any an-toerana.
T.M.