« Notazomina avy hatrany teny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo ary nanokafana fanadihadiana », raha araka ny tatitry ny polisy. Tetsy Besarety omaly io afrikana io no saron’ny polisy tsy nanao aron-tava, ary dia notenenina am-panajana sy nentanina mba hametraka izany fitaovana izany ho fiarovana ny ainy amin’ny valanaretina Covid-19. Toy ny olon-drehetra tsy nanara-dalàna ihany koa, dia natolotra azy ny fitaovana hanaovana ny asa iombonana. « Tabataba sy fanesoana ireo polisy no valin’izany, nanohitra hatramin’ny farany ilay famafana lalàna ilay teratany vahiny. Voatery nitondra azy ho eny amin’ny kaomisaria ny polisy » raha araka ny fanampim-panazavana. Tsy vita teo ny raharaha, satria mbola nanapa-kevitry ny nampiasa hery indray ilay olona nosamborina, ary dia voatery nofehezina. Vokatr’izany, dia mbola nitombo indray izany ny fandikan-dalàna izay hahafahan’ny polisy manenjika azy.
D.R