- Publicité -
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilFaits-DiversBesarety : Kilemaina nampiasaina namandrika mpitondra moto

Besarety : Kilemaina nampiasaina namandrika mpitondra moto

Fomba maro amin’izao fotoana izao no entin’ny sasany hitadiavam-bola. Anisan’izany ny fampiasana kilemaina

Andro maromaro lasa izay, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Besarety. Mpitondra moto iray no voalaza fa nandona ankizy kilemaina. Tsy maintsy nijanona moa ilay moto satria naratra ilay zaza. Teo no nitranga ny angano. Rehefa nojerena dia kilemaina ilay zaza. Nandray ny andraikiny avy hatrany ilay mpitondra moto, nikarakara ny hitondrana ilay naratra tany amin’ny hopitaly. Teo am-pikenokenonana anefa, raha nisava paosy izy dia tsy hita ny lakilen’ny moto. Vao nihodina kely koa izy dia fongana tanteraka ny zavatra tao anatin’ilay moto. Lasan’ny sasany avokoa izany. Ny tena nahavariana azy, rehefa vonona ny hitondra ilay ankizy tany amin’ny hopitaly dia iny fa nisy namerina ny lakile. Rehefa tany amin’ny hopitaly, tsy nisy mihitsy olona nanaraka ilay naratra.

Voadaroka. Nanontanina ilay zaza dia nilaza mavaza fa ny rainy no maniraka azy hanao ilay zavatra. Kendrena tsara hisy moto handalo, rehefa akaiky ilay izy dia io rainy io no miteny amin’ilay zaza hiampita tampoka. Tsy voasaoroka ny loza. Tamin’ny filazan’ilay zaza ihany no nahafantarana fa raha tsy mety manao izany izy dia voakapoka. Tamin’ny resaka nataon’ilay nitondra moto tamin’ireo olona teo, nisy ny nilaza fa mipetraka eo akaiky eo io zaza io. Tsy nisy nety nanoro mihitsy anefa ny tranony. Nitohy ny fanontaniana, iza no handray azy rehefa avy any amin’ny hopitaly izy ? Re ny valiny nanao hoe, avela fotsiny eo amoron-dalana eo io ankizy io dia vita.

Voalohany, araka izany, tsy kely lalana ny olona sasany amin’izao fotoana izao hitadiavam-bola ka na dia ny kilemaina aza dia hampiasaina amin’izany. Maro ny tranga sahala amin’izao manerana ny tsena eto an-drenivohitra. Misy ireo tsy valahara mody mifanena aminao amin’ny fotoana mahavariana anao iny indrindra. Mody dominy mafy izay mifanena aminy. Iny fa misy solomaso latsaka ary potika ny vera. Raofiny izany dia mandeha izy. Afaka fotoana fohy, misy namany manenjika anao milaza fa tadiavian’iry olona iry ianao. Hay ilay nandatsaka solomaso io. Dia mandeha eo avokoa ny don-tandroka rehetra. Ny tena tadiaviny, haka vola hanoloana ilay solomaso niniana nazera.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser