Notsatohana antsy ary rehefa namoy ny ainy dia navela fotsiny teo anelakelan-trano. Omaly maraina no hita nitsiatra ilay razana. Raha ny fanamarihana azo dia avy niasa io lehilahy io ary hamonjy ny tokantranony. Heverina ho raim-pianakaviana ary manodidina ny 40 taona, raha araka ny filazan’ireo nahita. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy kosa teny aminy. Mbola hita tao anatin’ny vatany ny tapak’ilay antsy nanindronana azy. Hatreto dia heverina fa nisy nanendaka ity lehilahy ity ary mety nisy ny fifanoherana izay tonga tamin’ny fahafatesany. Na izany aza anefa toa mampanahy ihany izany fijery izany rehefa tsy nisy nipika firy ny akanjo teny an-kodiny. Nanao pataloa « jeans » izy ary mbola tsy nipika koa ny « blouson cuir » izay teny aminy. Isan’ny toerana hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana iny Besarety sy ny manodidina azy iny ary tsy vao izao akory izany. Be loatra ny elakelan-trano izay hahafahan’ireo olon-dratsy mitsoaka ary lasa manamora ny asan’izy ireo izany. Isan’ny matetika fitsoahan’izy ireo ilay mizotra mankany amin’ny fasan’Anjanahary izay indraindray dia toerana fizaran’ireo olon-dratsy izay entana na vola azo. Midika izany rehetra izany fa tsy misy afa-tsy ny andrimasom-pokonolona ihany na koa ny fiaraha-miasan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny vahoaka no vahaolana amin’ny ady amin’ny jiolahy. Raha misy olona miambina isaky ny elakelan-trano dia inoana fa tsy afaka ny hitsoaka any intsony ireo mpanao ratsy. Mitombo arak’izany ny mety hahazoan’ny mpitandro ny filaminana azy ireo raha tsy maintsy mandeha eny amin’ny arabe.
D.R