- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Lehilahy sarona niaraka tamin’ny basy vita gasy

Besarety : Lehilahy sarona niaraka tamin’ny basy vita gasy

Mitaparitaka dia miparitaka tokoa amin’izao fotoana ny fitavaom-piadiana mahery vaika, toy ny basy, na vita gasy io na nohafarana. Eny fa na dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra aza ireo mpitandro filaminana, misambotra ireo olon-dratsy, toy izay nitranga teny Besarety, ny alatsinainy lasa teo, dia mbola betsaka ny any an-tanan’ireo jiolahy. Loharanom-baovao avy amin’ny olona teny an-toerana tokoa mantsy no nahafantaran’ireo pôlisy misahana iny boriborintany iny, ny  fisiana andian’olona mitondra basy, mirevirevy ao amina « bar » iray eny an-toerana. Sahin’izy ireo aseho sy aderadera amin’ireo olona tao amin’ilay trano ity fitaovam-piadiana ity, ka nahamailo avy hatrany azy ireo. Rehefa nidina teny anefa ireo mpitandro filaminana dia tsy tazana tao intsony ireo tovolahy roa lahy ireo. Natao avy hatrany fanarahan-dia ka sarona teny an-toerana ihany ny iray tamin’ireo olona ireo. Basy « revolver » vita malagasy, calibre 12 no tratra tany amin’ity tovolahy ity. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nilazany fa fitaovam-piadiana hitany tamin’ny alahady teo izy io, ary saika hitadiavany mpividy, taty aoriana. Basy mety avy nentina nanafihana ve ? Tsy fantatra aloha hatreto. Soa ihany fa sarona io fitaovam-piadiana io, raha tsy izany angamba dia mety ho efa nandratra na namono olona indray taty aoriana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser