- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Mpitendry avy nampandihy,voafira sabatra

Besarety : Mpitendry avy nampandihy,voafira sabatra

Miverina mahamay indray eny Besarety, amin’ny asaratsy. Tarika avy nanao fanentanana tao amin’ny hotely iray teo an-toerana, no nataon’ny efa-dahy mitazona antsibe lasibatra. Izany dia mba hahazoana ny vola kely tany am-paosiny sy ny gitara teny an-damosiny. Tsy nanaiky mora foana ilay lehilahy ary niezaka  nitsoaka. Teo no niasa ny sabatra izay raha nisy kely foana dia tany amin’ny lohany. Tena tsy nisangy ireo mpanendaka, fa ny hamono mihitsy no tanjony, raha araka ny fanazavan’ny naman’ilay lehilahy izay nahita ny zava-niseho, dia nihazakazaka  namonjy azy. Raikitra teo ny ady ary rehefa hitan’ireo olon-dratsy fa tena sahy tokoa ity lehilahy nanavotra ny namany dia nitsoaka ihany ireo. Ho an’ilay lasibatry ny fanendahana indray dia vitany ny niala ilay sabatra izay saika nifatratra tany amin’ny lohany. Saingy ny tànany no niantefan’izany. Tsy latsaky ny roa santimetatra ny halaliny noho izay norasain’ilay sabatra. Raha nisy kely foana aza, dia tonga hatrany amin’ny taolana izany zava-maranitra izany. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly ny naratra mba ho fanavotana ny ainy. Ankoatr’izay, dia mbola nisy lehilahy iray nitaingina “scooter” ihany koa nataon’ny jiolahy lasibatra. Io indray dia tsy nisy herisetra avy hatrany fa tena  niteny mihitsy ireo olon-dratsy ny hialàn’ny tompon’ny môtô eo amboniny, satria ho fananan’izy ireo amin’izay io fitaovana io manomboka eo. Nahavita nitsoaka no sady nanala ny fanalahidin’ilay môtô ilay lehilahy. Soa ihany fa mbola nisy ireny karaoke ireny nisokatra teo akaiky teo. Niditra tao izy ary nanazava tamin’ny mpiambina sy ny vatan-dehilahy tao ny zava-nitranga. Ireo no mba nanavotra azy sy nivoaka avy hatrany ka tsy nahatontosa ny halatra. Miverina mafampana Besarety amin’ny alina…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici