Maloto izy ireo ary tsy mikiraro. Toa ireny mpanendaka eny an-dalambe amin’ny antoandro ireny. Saingy ny indro kely dia manana basy soa aman-tsara. Ny alin’ny alahady teo, tamin’ny 12 ora sy sasany, raha mbola ao anaty torimaso tsara ny olona tao an-trano, ireo jiolahy kosa nandavaka tsimoramora ny tafon’izy ireo. Trano misy rihana ilay voatafika ary asa izay fomba nataon’ireto olon-dratsy fa tsy nisy naheno mihitsy ny fanagoahan’ireo ny tafo sy ny « plafond ». Efa tafiditra tao anatiny ary nanambana basy izy ireo vao taitra ny olona. Nofatorana izy mivady izay tao anaty efitranony. Notampenana ihany koa ny vavan’ireo mba tsy ho afaka hiantso vonjy. Nitazona poleta iray sy antsy ireo olon-dratsy. Lasa tao anatin’ny fotoana fohy ny finday rehetra tao an-trano ary nobataina koa ireny « home cinéma » ireny. Ankoatra izay dia lasa ihany koa ny vola izay mba natao fiandry tao an-trano. Nivoaka ny trano, tsy taitra akory ny olon-dratsy sady nibata ny entana nalainy. Nivoaka soa aman-tsara teo amin’ny varavarana iombonana izy ireo fa tsy teny amin’ny…tafo intsony. Izany ankehitriny no iainan’ny olona. Na dia efa mba niomana amin’izay zavatra mety hitranga aza, toy ny fanamafisana ny varavarana, eny amin’ny tafo indray ireo olon-dratsy no miditra. Tsy kely lalana ny ratsy saingy na izany aza ny fananan’ireo basy isak’izay manafika no tena mahavariana. Avy aiza ihany ny fitaovam-piadiana ? Hatreto dia tsy mbola nisy fanadihadiana izay tena namaly ny fiparitahan’ny basy sy bala eto an-drenivohitra na dia efa saika isan-kerinandro aza no misy lavon’izany ny olon-tsotra. Vao ny faran’ny herinandro teo no nisy voatifitra ary namoy aina teny Ampitatafika, ary mbola tao anatin’izay fotoana fialan-tsasatra izay koa no nisy sefo fokontany iray voatifitra teo amin’ny feny rehefa nilatsahan’ny jiolahy tao an-tranony. Ireo tranga roa ireo fotsiny dia afaka manamarina fa miparitaka ny basy. Raha tsy lasa lavitra ny fanadihadian’ny tompon’andraikitra amin’izany dia tsy ho azo inoana ny hihenan’ny asan-jiolahy izay mampikaikaika ankehitriny…
D.R