- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Nisy nangalatra ny entan’ny traboina

Besarety : Nisy nangalatra ny entan’ny traboina

Sady efa tsy misy trano ipetrahana intsony no mbola very fananana ihany koa. Sady nanararaotra ireto olona sasany izay traboina eny Besarety izany ny natiora sy ny olona. Nitaraina izy ireo fa nisy nangalatra ny entany  napetraka tany amin’ny toerana izay namindràna izany. Ny fahitalavitra sy ny “lecteur CD” no tena maro nisy naka, izany dia ankoatra ny kojakoja samihafa  mora nobataina. Maro ny kivy tanteraka tamin’ny zava-nitranga, satria endrika iray izay manaporofo ny toa izao fa efa ambany loatra ny fisainan’ny olona sasany. Raha toa ka mahasahy manararaotra anaty fahavoazana toa izao mantsy, dia inoana koa fa tsy hisalasala ny handroba sy hamono ireo olon-dratsy. Mbola taratra iray ihany koa ny toa izao fa tsy misy intsony ny fifanampiana sy fanoloran-tànana. Ny mifanohitra aza no mivandravandra, dia ny fifandrobana izany. Efa nisy hatrany ny fanolorana toerana ireo traboina amin’ny faritra maro, saingy tsy dia neritreretina kosa ny momba ny fiarovana ny fananan’izy ireo, na ny marimarina kokoa, ny sisam-pananany. Dia izao no mitranga ary tsy vao voalohany akory, satria efa nisy koa ny tranga toa izao teny Andavamamba, herinandro telo lasa izay. Dia iza ihany izany no itokisana ankehitriny raha ny sahirana aza mbola misy mandroba hatrany? Lasa in-droa arak’izany ny fahasahiranan-tsainan’ny traboina ankehitriny. Hatreto mantsy dia mijanona eo amin’ny fampialofana azy ireo eny amin’ny toerana voatokana ihany ny fepetra noraisina. Izany hoe mbola ady hafa ny amin’ny fanorenana vaovao, indrindra ho an’ireo izay nirodana  trano. Dia mbola ady hafa ihany koa izany famerenana ireo entana sisa tsy tototra; izay lasan’ny olon-dratsy. Mafy loatra…e!

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser