- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Taxibe tapaka “frein” nandona fiara roa, olona efatra naratra

Besarety : Taxibe tapaka “frein” nandona fiara roa, olona efatra naratra

Fiara roa no voadona vao tafajanona ilay taxibe 192, nanana olana teo amin’ny hisatra teny Besarety omaly. Vokany, olona efatra no naratra, ka voatery nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny fitantaran’i Sata, mpanampy ny mpamily tamin’ity fiara ity dia teo amin’ilay fidinana avy any Betongolo mihazo an’Ambodimanga Besarety iny no tsapan’ny mpamily fa tsy namaly intsony ny hisatra. Hany herin’ilay mpamily, dia namantana izany tany amin’ireo izay mety hampijanona ilay fiara, nony tonga teo akaikin’ny “garage Davida”. Nidona voalohany teo amina fiara tsy mataho-dalana iray niantsona teo ilay taxibe, saingy tsy nahatana ny onjany izany. Tany amin’ilay fiara “kangoo” iray tery lavidavitra vao tafajanona ity fiara marika Mercedes 307 ity. Tao anatin’izany anefa dia nisy mpandeha tongotra iray somary voakasok’ilay fiara roa nifandona. Mpandeha teo tao anatiny ihany koa naratra vokatry ny seza tsy mipetraka tsara. Nilaza moa ity mpitaky saran-dalana ity fa fiara tsara fikarakarana io fiara io, ary nahagaga azy ireo io tsy fahatomombanana nahatonga loza io. Soa ihany hoy ny olona fa somary nahay ihany ny mpamily; fa raha tsy izany dia angamba efa maro indray no namoy ny ainy. Niteraka fitohanambe teny an-toerana indray ity loza ity, nanampy ireo fitohanana efa nahazatra ny mponina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici