- Publicité -
samedi, décembre 13, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Telo mianaka nirodanan’ny trano, iray maty

Besarety : Telo mianaka nirodanan’ny trano, iray maty

Ny mpamonjy voina teny an-toerana ( sary : CUA)

Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny trano iray misy rihany, ny harivan’ny alakamisy tetsy Besarety. Telo mianaka izy ireo, avotra ny zanany sy ny reniny taorian’ny fikarohana nataon’ireo mpamonjy voina. Tokony ho tamin’ny fito ora latsaka tany ho any, tao anatin’iny oram-be iny no nitrangana loza tetsy Besarety. Mazava ho azy, efa tondran-drani sy nilona tao anaty ranobe ny teny an-toerana. Trano iray, misy rihana roa no tsy nahatanty izany ka nirodana hoy ny teo anivon’ny kaominina. Olona telo no fantatra fa taraiky tao anatiny. Vantany vao nitranga ny loza ary nahazo fampandrenesana ny mpamonjy dia nidina avy hatrany teny an-toerana. Ora vitsy taorian’ny fikarohana no hita ny tovovavy kely iray, zanaky ny tompon-trano. Ora iray taorina’io ihany koa no hita ilay renim-pianakaviana, ary avotra soa aman-tsara. Samy nalefa tany amin’ny toeram-pitsaboana avokoa moa izy ireo. Ny fikarohana ilay raim-pianalaviana kosa dia mbola nitohy nandritry ny alina, nataon’ireo mpamonjy voina, tao anatin’ny haizina sy ny ora-mikija, raha ny angom-baovao azo. Omaly maraina tokony ho tamin’ny enina maraina tany ho any vao hita ity farany saingy indrisy fa efa vatana mangatsiaka sisa. Navantana avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly moa ny razana. Efa maromaro ihany izay lasibatry ny oram-be sy varatra izay, tamin’ity fotoam-pahavaratra ity. Raha ny teto an-drenivohitra manokana dia ity teny Besarety ity ny trano voalohany nitondra taikatra tamin’izany ora-mikija sy rano miakatra izany. Raha tsy misy ny fepetra haingana toy ny fanadiovana ireo lakan-drano ary fitiliana ireo foto-drafitrasa mety hampidi-doza ary fiovan-tsain’ny tsirairay mba hahalala fahadiovana dia mety hitombo hatrany izay fahavoazana izay. Efa maro amin’ireo faritra eto an-drenivohitra mantsy no efa dibo-drano sy milona ao anaty rano maloto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici