- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Trano telo narodana noho ny ady tany

Besarety : Trano telo narodana noho ny ady tany

“Vao maraina, tokony ho tamin’ny dimy ora, lehilahy enina nandeha sprinter ary vehivavy maromaro izay niandry tao anatin’ny fiara no nigadona. Tsy nisy resaka firy fa avy hatrany dia narodan’ireo ny trano hazo izay nipetrahanay” raha araka ny fanazavan-dRazanadravao Marie Angèle, isan’ny lehibe indrindra izay mipetraka ao amin’ilay toerana. Narodana ny trano dia nofefena hazo ilay tany voakasika. “Tsy nanohitra izahay satria fantatray fa an’ilay olona ny tany. Ny tsy rariny kosa no avoitranay : tsy nisy fampandrenesana na mba filazana akory ary tsy nisy vadintany mba nanamarina ny fandravana, fa tonga dia natao amin’ny herin-tsandry fotsiny ilay fandrodanana ny taninay” hoy ihany ireo olona voakasika izay tarihin-dRazanadravao Marie Anglèle. Ankoatr’izay dia asain’ny tompon’ny tany mandoa onitra 10 tapitrisa ariary izahay ary koa miantoka ny volan’ireo mpandrodana, raha araka ny loharanom-baovao mitovy ihany. Olona 24 isa no voakasik’ity fandrodanana trano hazo telo tesy Ampandrana Besarety ity. Mikasa ny hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ireo olona eo an-toerana, satria amin’izy ireo dia tsy mendrika ny harodana tsy misy filazana toa izay nitranga omaly ny tranon’izy ireo. “Izahay no nanazary an’io tany io hatramin’ny taona 1973 ary mbola izahay ihany koa no nandoa ny hetran-trano hatramin’izay. Manoloana an’izany dia mangataka izahay ny hamerenana izay laninay tamin’io tany io hatrizay ary ary koa mba hijery anay ny fanjakana, satria vokatry ny zava-misy dia olona 24 amin’izao no tsy manan-kialofana. Misy amin’ireo aza ny vao tera-bao…” hoy ireo olona manazava ny heviny. Tany manodidina ny 150 metatra tora-droa eo ho eo ny velaran’ilay tany ary misy trano maromaro manodidina an’izany. Zafikelin’ny praiministra tany aloha tany ny tompon’ny tany, raha ny filazan’ireo olona voakasiky ny raharaha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser