Omaly tolakandro, manodidina ny tamin’ny efatra ora teo no nanomboka ny afo ary tsy voafehy raha tsy adiny iray taty aoriana. Teo Antaninandro no nitrangan’izany. Raha araka ny fitantaran’ny manodidina, dia afon-tsaribao tsy maty no nahiana ho nitarika an’izany. Ramatoa efa lehibe iray, rafozan’ilay manamboninahitra ambony, no mipetraka ao amin’ilay trano. Sendra nivoaka indrindra izy no nanomboka ny firehetana ary soa aza fa izay no nitranga raha tsy izany dia ahiana ho may tao ihany koa ny tenany. Nirefodrefotra ny “fil” mpitondra herinaratra teny an-toerana ary teo no nandray andraikitra ny Jirama tamin’ny fanapahana ny jiro. Tsy nisy ny aina nafoy, saingy ilay trano kosa dia kila tanteraka. Teo an-toerana ihany koa no hanafantarana, fa jeneraly no tompon’ilay trano niharan-doza, saingy ny rafozany no mipetraka ao. Tonga teny an-toerana io manamboninahitra ambony io nijery ny zava-nitranga.
Didi R.