Efa mihoatra ny fefy tanteraka ny nataon’ireto mpanendaka iray voasambotra, tetsy Besarety ity. Rehefa tsy nahita nalaina tany amin’ilay olona nendahiny mantsy izy ireo, dia nampijalijaliany ity farany, ary ny farany dia notapahany ny filahiany. Niafara tamin’ny fahafatesan’ilay lehilahy voaendaka mihitsy moa izany.
Ny herinandro lasa teo no voasambotry ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo sy ny sampana ady heloka bevava, tetsy Besarety ity lehilahy iray voarohirohy tamin’ny resaka fanendahana sy vono olona. Raha ny fampitam-baovao azo, dia isan’ireo tompon’antoka tamin’ilay resaka fanendahana sy fanapahana filahiana nitranga tetsy Faravohitra ity lehilahy ity. Raha tsiahivina tokoa ny zava-niseho, tamin’io fotoana io, ny voalohandohan’ny volana teo, dia lehilahy handeha hody no lasibatry ny mpanendaka roa lahy tamin’iny lalan-kely avy eny Faravohitra mivoaka aty Ampandrana iny. Tsy nisy zavatra sarobidy azon’izy ireo nalaina anefa tany amin’ity lehilahy ity, hany ka niaka-pofon’ny hatezeran’ireo mpanendaka. Ny niafarany dia nampijalijalian’izy ireo fotsiny ilay lehilahy. Nony farany dia notapahan’izy ireo ny filahiany ary navelan’izy ireo teo. Noho ny habetsaky ny rà very, dia niafara tamin’ny famoizan’ity olona lasibatry ny mpanendaka ity ny ainy izany. Rehefa tonga teny am-pototsofin’ireo pôlisy ilay tranga dia tsy niandry ela izy ireo fa avy hatrany dia nanao ny fanadihadiana ary izao niafara tamin’ny fanamborana ny iray tamin’ireo mpanendakana. Tamin’ny famotorana azy no nahafantarana, fa vao avy nivoaka ny fonja ny faran’ny taona teo ranamana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ilay namany anankiray araka ny vaovao hatrany.
m.L