- Publicité -
lundi, juillet 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetafo : 20 lahy nanafika tanàna, ramatoa iray natao takalon’aina

Betafo : 20 lahy nanafika tanàna, ramatoa iray natao takalon’aina

Matetika no itrangana fanafihan-jiolahy ao amin’ity kaominina Ambohimasina Betafo ity, mandry andriran’antsy ny mponina tato ho ato izay fa sesilany loatra ny fanafihana.

Jiolahy manodidina ny 20 lahy izao no nanafika tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohitrinibe, kaominina Ambohimasina, ny alin’ny sabotsy lasa teo.  Vao teo an-tokotany   dia tsy nitsahatra nanapoaka basy ireo jiolahy nentina nampihorohoroana ny mponina teo an-toerana. Raha ny fanazavan’ny olona iray  isan’ny voatafika dia isaky ny dimy minitra ireo jiolahy dia manapoaka basy hatrany, ka nahatratra 9 ny poa-basy nandritra ny fanafihana. Raiki-tahotra ny mponina ka tao ireo nitsoaka nandositra raha vao nahare ny fipoapoaky ny basy. Tokantrano iray no nidiran’ny jiolahy telo nandritra izany fa ny sasany kosa niandry tety ivelany. Tsy nanaiky lembenana anefa ny lehilahy iray tao amin’ity tokantrano ity ka namaly, nifampitana tamin’ireo jiolahy telo lahy , ary voalaza fa resiny ireo jiolahy ireo. Tampoka anefa, nitora-bato ny naman’ireo jiolahy ka voa teo amin’ny lohany ilay rangahy ka torana tsy nahatsiaro tena intsony. Rehefa izany, nalainy ny vadin’ity rangahy ity ka nasainy nitety ny tanana ary nanondro ireo mpanankarena teo an-toerana. Mpivarotra iray no lasibatra voalohany, ramatoa antsoina hoe mamafara Hanitra. Teo amin’ny lavarangana ireo jiolahy no niditra, norobainy ilay fivarotana , noraofiny avokoa ny entam-barotra rehetra niaraka tamin’ny vola iray hetsy ariary. Ankaotra io fivarotana io dia tokantrano telo hafa no voaroba ka nahazoan’ireo jiolahy entana sy vola.

Tsy nijanona hatreo ny habibiana nataon’ireo jiolahy fa nentiny natao takalon’aina ilay ramatoa , nambaran’ireo jiolahy fa raha misy manaraka dia hovonoiny ity ramatoa ity. Nony afaka 2 km niala ny tanana dia naveriny ihany ity farany, saingy efa nodarohiny ka folaka ny tanany ary noratrana tamin’ny antsy ny tavany.  Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny tena nahazo ity ramatoa ity fa avotra soa aman-tsara ihany ny ainy.

Nomarihan’ireo fokonolona fa niantso ny mpitandro filaminana ihany izy ireo saingy  narirarira sy tsy nohenoina fa fanontanina maro indray no nasetry azy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici