- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo Ambohimanarina : Nihotsaka ny tany, nibanaka ny fasana

Betafo Ambohimanarina : Nihotsaka ny tany, nibanaka ny fasana

FASANA-MIHOTSAKA-(3)-copieFasana iray eny Betafo Ambohimanarina no fantatra fa ravan’ny rotsak’orana tamin’ny sabotsy lasa teo. Nirodana mantsy ny rafi-baton’io fasana io. Rava tanteraka ny ilany ambony. Nikodia ireo vatobe nandrafitra an’izany. Amoron-dàlana moa no nisy ilay izy. Nikodia ireo vato ireo ary dia nianjera tany amina fiara iray izay napetraka teo amin’ny làlana tsy lavitra teo. Hita fa nibanaka ilay fasana ary nisokatra be ny teo amboniny. Toa hita niharihary ny ampahany tao anatiny.

Nanimba zavatra maro tokoa iny orana nikija nandritry ny andro maro teto an-drenivohitra iny. Ankoatra ny trano nianjera tamin’ny faritra maro avo toerana, dia teo koa ny rano nanenika ny toerana iva. Izao indray, nirodana koa ny fasana. Faritra misy fasana maro dia maro iny eny Betafo iny. Tsy vitsy koa anefa ny trano miorina eny.

Ireo sary ireo no mampiseho ny zavatra niseho teny an-toerana. Maro ny fahasimbana. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra amin’izao na dia efa nisy fijanonany kely aza ny orana. Amin’izao fotoana izao mantsy vao mety hiseho ny vokatr’izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser