Maro ny làlana eto Vakinankaratra no tapaka sy tsy azo ampiasaina intsony, vokatry ny filatsahan’ny orana be loatra. Misy amin’ireo kaominina sasany no efa mitoka-monina mihitsy vokatry ny faharatsian’ny làlana.
Fa ny tena nanaitra ny maro, indrindra fa nampimenomenona ireo mpamily, dia ny fananaraotana diso tafahoatra ataon’ireo fokonolona mamboatra ny làlana. Teboka roa lehibe mantsy no ahitana fahatapahana amin’ny lalam-pirenena faha-34 raha hizotra ho any Betafo. Ny voalohany eo Ampahatrimaha ary ny faharoa eo Maritampona. Feno ranon-tany sy fasika mirotsaka avy any an-tendrombohitra mantsy ireo toerana ireo. Tranga efa mpiseho matetika ity, indrindra rehefa maro ny rotsak’orana. Tapaka tanteraka ny làlana, toy ny tranga tamin’ny sabotsy lasa teo, tao Maritampona no tena nahitana izany. Misy ireo fokonolona no mirotsaka mian-dahy miam-bavy mihitsy manao fitadiavam-bola amin’ity fahavoazana ity. Manala ireo ranon-tany no tena ataon’izy ireo, tsy misy tambiny izany fa izay sitraky ny mpampiasa làlana no raisin’ireo fokonolona. Maro anefa no nanararaotra tamin’io andro io. Takian’ireo fokonolona 1000 ariary ny fiara kely raha toa ka 2000 kosa ny fiara lehibe. Nisy fiara tsy nanaiky nandoa ka notapahan’ireo antokon’olona ny hazo efa natao hanakanana ny ranon-tany tsy hilatsaka amin’ny arabe. Vokany, fiara kely roa no tsy afaka fa nikatso tanteraka tao Maritampona ny harivan’ny Sabotsy teo, ka niteraka fitohanana lavareny. Mbola nitohy izany ny alahady ka fiara lehibe roa koa no tafahitsoka teo ampovoan-dàlana. Taorian’ny tranga moa dia fantatra fa nidina teny ifotony ny ben’ny tanana tao Betafo ary nandray fanapahankevitra fa olona telo ihany no ajanona mitaty rakitra amin’ireo fiara mandalo, ho takalon’ny asa ataon’izy ireo.
Andry N.