Olona 19 no voatery nosamborin’ny zandary tany Ambalavato, ao amin’ny fokontany Andranovorilasa ao amin’ny kaominina Alarobia Bemaha, distrika Betafo, ny alahady lasa teo. Tra-tehaka tany amin’ireo andian’olona ireo mantsy ny fitaovam-piadiana isan-karazany, izay nahitana basy nahatratra teo amin’ny 18 teo ho eo, niaraka tamin’ny bala. Saika hanatanteraka fanafihana tany amin’iny faritra iny angamba ireto andian’olona ireto no izao nifanehitra tamin’ny zandary izao. Araka ny fanazavana azo mantsy, dia avy any Alarobia Bemaha izy ireo, ary teny an-dàlana no nifanena tamin’ireo mpanao fitsidiham-paritra. Somary hafahafa fihetsika izy rehetra ka antony nanosika ireo zandary hisava azy 19 lahy. Inona tokoa no nitranga, fa basy lava vita gasy 16 no nafenin’izy ireo tany am-balahany tany, niaraka tamin’ny basy Mas 36 iray nisy bala sivy, basy poleta tsy misy marika iray niaraka tamin’ny bala efatra. Nogiazana avy hatrany ireto fitaovam-piadiana ireto ary nentina nanaovana famotorana ireto andian’olona ireto. Isan’ny mampihorohoro ny mponina any amin’iny faritra iny tokoa ity tsy fandriampahalemana ity. Mety ho ireto andian’olona ireto ihany ve ireo andian-jiolahy, izay nampitondra faisana ihany koa teny Andranomafana ? Asa aloha, fa dia eo am-panaovana fanadihadiana ireo tompon’andraikitra amin’izany.
m.L