- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Basy poleta vita gasy saika hamidy, nahafaty zazavavy kely

Betafo : Basy poleta vita gasy saika hamidy, nahafaty zazavavy kely

Zazavavy kely iray 15 taona no maty tsy tra-drano voatifitra teo amin’ny fony tao Betafo. Fantatrafa basy saika hamidy no nahafaty azy ary ny nenitoany ihany no nahavanon-doza tsy nahy. Raha ny fanazavana avy tamin’ny tobin’ny zandary ao Betafo, dia efa mpanao ity asa ratsy mivarotra basy ity mihitsy ilay ramatoa  izao tratra izao. Mpanangom-bokatra ao Betafo no hamantaran’ny maro azy, raha ny vaovao voaray anefa, dia hanafenany ny aferana basy ataony io anton-draharahany io. Tato ho ato izay tena niparitaka tokoa ny fivezivezen’ny basy tsy ara-dalàna, indrindra tao amin’ny kaominina Betafo. Basy poleta roa, vita gasy saingy efa raitra dia raitra tokoa no tratra tao amin’ity ramatoa voasambotra ity. Fantatra fa, efa nahafaty olona hafa ireo basy ireo  ankoatra ilay zazavavy kely maty vao haingana io. Nilaza ny handeha haka paoma tao Amparihimena ilay ramatoa ny 19 Martsa lasa teo, nefa hivarotra basy no tena ataony hoy ny komandin’ny zandary ao Betafo, ny GPHC Rakotoarisoa Andrimaminirina omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nitondrany zanany iray sy ny zana-drahaliny vavikely izy tamin’io fotoana io. Teo am-pikitihana ilay basy ilay ramatoa no nirefotra tampoka ny basy ka teny amin’ilay zana-drahalahiny no niantefa ny bala. Maty tsy tra-drano teo ilay zaza. Nentiny namonjy hopitaly ilay zazavavy ary nafeniny tamin’ny mpitsabo fa nototoin’ny omby io zaza io. Rehefa nizaha anefa ny mpitsabo dia fantatra fa maty voatifitry ny basy ilay zaza, niantso ny zandary avy hatrany ny mpitsabo noho ny tranga nampiahiahy. Voamarina fa tena voatifitry ny basy tokoa ilay zaza ka teo no niainga ny fanadihadiana. Nosamborina ilay ramatoa,natao ny fisavana ny trano fonenany ka tratra tao  aminy ny basy poleta vita gasy roa. Niaiky ny heloka vitany rahateo izy ary nilaza fa nikasa hivarotra ireo basy amin’ny vidiny 2 50 000 ar ny iray tamin’io fotoana io. Tsy nilaza mazava ny nahazoany ireo basy ireo anefa izy, nambarany fa olona sendra azy teny an-tsena no nividianany azy. Nanao ny fizahana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary ary mbola hita teny an-toerana ny vodina bala iray 9 mm nahafaty ilay zaza. Ankoatra ilay ramatoa, dia nisy lehilahy iray hafa ihany koa voasambotra isan’ny niray tsikombakomba tamin’ny fitazonana sy fivarotana basy. Hatolotra ny fampanoavana amin’ity herinandro ity raharaha, araky  ny fanazavana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici