- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Efatra mirahalahy maty nilatsahan’ny varatra

Betafo : Efatra mirahalahy maty nilatsahan’ny varatra

Namono olona indray ny varatra tao amin’ny distrikan’I Betafo, efatra mirahalahy no indray namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Soavina. Ny alin’ny alarobia hifoha Alakamisy teo no nitranga ny loza tao amin’ny Tanana antsoina hoe Andoaranao fokontany Anjoma kaominina Soavina Betafo. Vao avy nisakafo ny fianakaviana tokony ho tamin’ny 7 ora hariva teo, marihina fa avy ny orana tamin’io fotoana io hoy ny fianakavian’ny maty nitantara. Samy efa namonjy ny efitrano fatoriany ny rehetra. Tampoka anefa, nilatsaka tao antafotrano ny varatra, nidina tany ambany rihana nitety ny efitrano, toy ireny afo mitady olona ireny hoy hatrany ny fanazavana. Niverina niakatra tao ambony rihana ary nandoro azy efatra mirahalahy ireto vao nijanona. Tao anaty segondra vitsy no nisehoan’izany rehetra izany, maty tsy tra-drano ny telo lahy tamin’izy ireo fa ny faralahy kosa mbola nezahina notsaboina teto Antsirabe  saingy tsy tana intsony ny ainy. Ny roa lahy amin’izy ireo dia mbola mpianatry ny CEG 15 ka hatramin’ny 24 taona ny salan-taonany. Matetika isaky ny fahavaratra toy izao dia amoizana ain’olona hatrany ny  varatra eto Vakinankaratra. Hatramin’ny niandohan’ny vanim-potoan’ny orana izao dia tsy latsaky ny 10 ny olona efa matin’ny varatra teto, isan’izany ilay tranga nampivarahontsana namoizana  8 mianaka tao Ibity tamin’ny tapaky ny volana Oktobra lasa teo sy olona roa hafa maty nilatsaham-potaka tao Tsarafiraisana Ambano ny volana Novambra 2017.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici