- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Enin-dahy nangalatra ny «coffre »-n’ny kaominina

Betafo : Enin-dahy nangalatra ny «coffre »-n’ny kaominina

Vola anetsiny maromaro no lasan’ny jiolahy tao amin’ny kaominina Mahaiza Betafo, rehefa novakian’izy ireo izany tranom-panjakana izany ny alin’ny alahady lasa teo ary nentina nitsoaka ny vata-vy fitoeram-bola.

Efa tena sahy tokoa izy enin-dahy ireto. Heverina kosa fa olona mahafantatra tsara ny fisian’ny vola tao amin’izany biraom-panjakana izany izy ireo matoa sahy nandroba. Raha ny vaovao azo dia vetivety dia voapitsoka ny varavan’ilay biraon’ny kaominina. Ankoatr’ilay vata vy « mafy-hidy » izay fitoeram-bola sy ireo antontan-taratasy saropady rehetra dia lasan’ireo olon-dratsy ihany tamin’io fotoana io ny solosaina iray sy fitaovana maromaro. Marihana hoy hatrany ny fampitam-baovao fa milanja eo amin’ny 150 kilao any ho any ity « coffre » kanefa dia vitan’ireo olon-dratsy no nilanja azy tamin’ny kilaometatra maromaro. Nambara moa fa vola mitentina ar 740,200 no tao anatin’izany, niaraka tamin’ny fahana finday maromaro sy taratasim-bola.

Rehefa nidina teny an-toerana ary nanao ny fanadihadiana lalina ireo tomponandraikitry ny filaminana tany an-toerana, hikarohana ireo nanao ny asa ratsy dia fantatra fa misy tovolahy iray, ahiana fatratra ho isan’ireo nandray anjara tamin’ity famakiana ny tranom-panjakana. Rehefa nosamborina ilehio dia mbola nahatratrarana vola teo amin’ny ar 160,000 tany aminy. Tao anatin’ny famotorana no nanoroany ireo namany hafa. Anisan’izany ireo nilanja ny « coffre », ny nivarotra sy ny nividy ilay solosaina, izay marihana hoy ny vaovao fa ny sasany avy ao Tatamarina, ary ny hafa avy any Antsirabe. Enin-dahy izy ireo, izay voasambotra andro vitsy monja taorian’ilay zava-nitranga. Efa eo am-panaovana famotorona azy ireo moa ireo mpitandro filaminana ary heverina fa atolotra eny anivon’ny Fitsarana tsy ho ela ny raharaha. Ireo entana sy vola very tao amin’ny kaominina kosa dia saika efa voaverina tamin’ny tompony avokoa ankoatr’izay efa lanin-dry zalahy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici