Misy amin’izy ireo no niaiky fa nanatanteraka ilay heloka bevava ary nisy koa ny mpaniraka. Ny telo tamin’ireo olona enina dia efa nidoboka am-ponja vonjimaika rehefa natolotra ny fampanoavana ny alakamisy teo. Ny ambiny kosa dia nahazo fahafahana vonjimaika mandram-piandry ny fotoam-pitsarana. Raha tsiahivina fohy dia mpivady efa nahazo taona no nisy namono tao an-tranony tao Ankadimasina, fokontany Tsarahasina, kaominina Manohisoa, distrika Betafo. Ny alin’ny 31 mey hifoha 1 jiona, tokony ho tamin’ny 11 ora alina no niditra tao an-tranon’izy ireo ny olona efatra izay niakatra tamin’ny tohatra ary nivantana tao amin’ny efitranon’izy mivady. Novonoina ireo farany ary rehefa vita izay dia nivoaka ny trano ary nitsoaka. Tsy nisy ny entana very tamin’io fotoana io ary tsy nisy arak’izany ny fandrobàna fa kosa ny famonoana azy mivady tamin’ny antsibe sy famaky no nataon’ireo olon-dratsy. Raha ny heno tamin’ny mpitandro ny filaminana disadisam-piarahamonina no nolazain’ireo mpamono olona nandritry ny fanadihadiana azy ireo.
D.R