- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversBetafo : Jiolahy mpanao fonoka mahery, saron’ny zandary

Betafo : Jiolahy mpanao fonoka mahery, saron’ny zandary

JIOLAHYHatramin’ny volana jolay 2013 no efa nikarohana ireto jiolahy mpamaky trano gaigilahy ireto tao amin’ny distrikan’i Betafo ary izao ry zalahy vao tratra. Nahatratra 16 ny fanafihana efa nahazoana fitarainana ka vaky trano avokoa no ankamaroany raha ny fanazavana avy tamin’ny zandarimaria.

Ny alahady 23 martsa lasa eto, jiolahy efadahy no saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimaria. Roa amin’izy ireo no tena mpamaky trano,fa ny iray mpampiantrano ny iray kosa mpividy entana halatra. Fiaraha-miasa avy tamin’ny fokonolona no nahazoana azy efadahy ireo raha ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny kaompania Mandoto ny Cmd Ranaivoson Olivier. Fantatra fa kaominina telo no tena nanjakan’ity asan-jiolahy ity. Anisan’ny ny tena lasibatra ny fokontany Mahaiza, Anjazafotsy ary Soavina. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana  dia niroso tamin’ny fisamborana ny zandary, tsy nananosarotra ny fisamborana hoy ny kaomandin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Betafo noho ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona. Niaiky ny heloka vitany ireo jioalahy ,saingy raha ny fanazavana hatrany dia tsy mbola nanoro ireo namany mihitsy ireto voasambotra. Tsy vitan’ny andiana olona vitsivitsy mantsy raha ny fahabetsahan’ny entana azo,  anisan’izany ny moto ana-dokotera iray niasa tao amin’ny CSB II Mahaiza vao volana vitsy lasa izay. Tsy mifidy angalarina ry zalahy fa  raofiny avokoa izay sendra azy toy ny kidoro,fandriana, kojakojan-dakozia, angadin’omby sy akoho amam-borona eny fa hatramin’ny fandriana fatoriana sy ny « panneau solaire sns…. aza dia nongotany avokoa. Taorian’ny fahatratrarana ireo entana maro be dia efa nampiantso ireo mponina very entana ny zandary. Ny tena mahavariana amin’ny fanaon’ireto jiolahy ireto, tsy misy maheno ny hibatany ny etana ny ao an-trano sy ny manodidina fa raiki-tory avokoa noho ny fonoka mahery ampiasainy. Hatolotra ny fampanoavana rahampitso zoma ho avy izao ireo voasambotra .

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser