- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Jiolahy raindahiny, matin’ny fokonolona

Betafo : Jiolahy raindahiny, matin’ny fokonolona

Saika hanafika tokantrano iray tao Ambohimahatsinjo, distrikan’i Betafo, ity olon-dratsy ity niaraka tamin’ny namany, ny marainan’ny sabotsy, no nisy nahatsikaritra. Niray hina ireo fokonolona, nanenjika azy ireo. Azon’izy ireo ny iray, matiny avy hatrany.

Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny Tagnamaron’ny fandriam-pahalemana (TAFA), izay toromarika avy amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenana, ny  fanentanana ny olona, ny vahoaka eny ifotony, ny amin’ny tokony hahaizan’izy ireo miaro tena sy miaro ny tanànany ao anatin’ilay “autodefense villageoise”, indrindra ho an’ireo tanàna somary lavitra andriana na lavitra tobin’ny mpitandro filaminana. Nahitam-bokany izany fanentanana izany, raha ity tranga tany Betafo ity. Ny zava-nitranga tokoa mantsy dia nisy telolahy, jiolahy mitam-piadiana, nikasa ny hanafika tokantrano iray tao Sahamihaingo, fokontany Ambohimahatsinjo, kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo, ny vao mangiran-dratsin’ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora tany ho any. Raha ny angom-baovao azo dia efa vitan’izy ireo mihitsy ny namaha amboletra ny varavarana. Tamin’io fotoana io no nisy mpiambina naheno ny zava-nitranga ka nanaitra ny mpiray monina. Tsy nihambahamba ireto farany niray hina sy niara-nirohotra nanenjika iroa olon-dratsy, izay vao naheno ny kotaban’ny olona dia vaky nilefa. Tsy lasa lavitra moa ny iray tamin’izy ireo dia voasambotra. Saingy noho ny hatezerana tafahoatra tao anatin’ireto fokonolona dia niharan’ny vono sy ny daroka ity farany ary tsy namelan’izy ireo raha tsy tapitra hatramin’ny ainy. Tafaporitsaka kosa moa ireo roa lahy namany. Tamin’io fotoana io ihany koa no tonga tany an-toerana ny zandary, nandray an-tanana ny raharaha ary niroso tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka. Ilay iray teny am-pelatanan’ny fokonolona moa efa tsy nisy azo natao taminy intsony. Ny fitsirihana ny razana no vita, ka teo no nahafantarana fa jiolahy rain-dahiny izy io, izay vao avy nivoaka ny fonja vao tsy ela akory.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici