- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireBetafo: Lehilahy nahatratrarana basy mass 36 sy poleta iray ary moara

Betafo: Lehilahy nahatratrarana basy mass 36 sy poleta iray ary moara

basy
Sary : F/J 13/11 – Tsy manana taratasy hitazonana basy ity olona ity.

Lehilahy iray indray no vosambotry ny zandary nandritra ny fampandrian-tany natao taorian’ny fifidianana ny 25 oktobra lasa teo. Tratra niaraka tamin’ity lehilahy iray ity ny basy mahery vaika iray marika Mass 36 niaraka tamina bala  3 ka ny iray efa nipoaka. Tao  Ankonohono fokontany Lazarivo kaominina Andrembesoa distrikan’i Betafo no nahatratrana ity lehilahy nitazona basy ity. Fantatra fa basim-panjakana fampiasan’ny mpitandro filaminana moa io basy io ary mbola nahitana basy poleta iray  vita gasy hafa ihany koa tao aminy. Tsy manana taratasy fahazoandàlana hampiasa basy ity ranamana ity ary voamarina tamin’ny fanafody gasy tratra tao aminy fa dahalo izy. Marihana fa moara karazany valo no hita tao aminy niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo. Ny fanadihadiana no ahafantarana ny tena marina fa ny fantatra  aloha dia miandry ny fitsarana azy any am-ponja ity voasambotra ity. Araka ny fampitam-baovan’ny zandarimariam-pirenena nambaran’ny Lt Lovasoa tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimaria eto Vaikinankaratra dia vokatry ny hetsika natao nanomboka ny 4 novambra lasa teo,  entina hampandry fahalemana ny mponina indrindra fa amin’iny faritra atsimo andrefan’I Vakinankaratra izao vokatra izao. Anisan’ny asa atao amin’izany ny fanamarinana ny taratasy fahazoandàlana mitazona basy sy ny fanarahamaso ireo toerana mafampana. Notsipihany fa fanomezam-baovao avy tamina olon-tsotra tsara sitrapo no nahatratrana ity dahalo ity. Nanentana ny vahoaka hatrany moa ity farany amin’ny fiaraha-miasa sy fifanomezam-baovao raha vao misy mampiahiahy  eo amin’ny fiarahamonina fa hotazonina ho tsiambaratelo hatrany izany.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser