- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Lehilay matin’ny fitsaram-bahoaka, olona 8 naiditra am-ponja

Betafo : Lehilay matin’ny fitsaram-bahoaka, olona 8 naiditra am-ponja

Natolotra ny fitsarana ny alarobia 20 aogositra teo, ireo valo lahy voarohirohy  tamin’ny fitsaram-bahoaka niseho tao amin’ny kaominina Tritriva distrikan’i Betafo ; izay  nahafatesana lehilahy iray. Tamin’ny 21 jolay 2014 no niseho ity fitsaram-bahaoaka ity, tamin’ny fomba nahatsiravina tanteraka no namonoana ilay rangahy voalaza fa mpanendaka. Lehilahy iray no nilaza tamin’ny fokonolona tao Ambohimandroso fa, nisy nanendaka teo amin’ny 1km tsy hidirany ny tanàna, nolazainy fa fantany ny nanendaka azy, ka nirohotra nankany amin’ilay trano ny fokonolona avy eo. Nony  tonga teo amin’ny tranon’ilay rangahy izay nolazaina fa mpanendaka  ny fokonolona dia niantso azy hivoaka ny trano. Tsy nivoaka anefa ity farany fa nihidy tao an-tranony, notorahan’ny fokonolona ny trano fonenany avy eo ary niafara tamin’ny fandoroana ilay trano mihitsy. May tanteraka ny tranony fonenany ka nivoaka ihany ilay rangahy, vantany vao tafavoaka anefa izy dia daroka sy torabato no niandry azy. Efa zary andavan’andron’ny olona rahateo ity resaka fitsaram-bahoaka ity, ka dia samy namango  azy avokoa izay nahita hoy ny fanazavana. Potika tanteraka ilay rangahy, voakapa famaky ny lohany, ary nipotsaka ny voamasony raha ny fampitam-baovao. Voalaza moa fa dia nodoroin’ny fokonolona ilay rangahy avy eo. Taorian’ny fanadihadiana dia niroso tamin’ny fisamborana ny mpitandro filaminana, ka valo no voasambotra. Taorian’ny fihainoana azy valo lahy dia fantatra fa ny  telo lahy voatazona am-ponja   ny dimy kosa nahazo fahafahana vonjimaika. Mbola misy roa lahy hafa karohan’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana.

Amin’ny 18 Septambra 2014 izao no voalaza fa daty hitsarana azy 8 mirahalahy ireto.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser