Lehilahy roa efa ikoizana amin’ny fanamboarana vola sandoka indray, no noraofin’ny polisy, ny alatsinainy 4 jolay lasa teo, tany amin’ny distrikan’i Betafo. Raha zohina ny zava-niseho, voalaza fa ny 27 jona lasa teo, magazay iray any an-toerana no nahatsikaritra vola 10.000 Ariary roa izay mitovy « numéro de série ». Mpivarotra enta-madinika iray hafa ihany koa no nitaraina ho naharay vola 10.000 Ariary telo ; izay mitovy « numéro de série » ihany koa. Tonga avy hatrany nampandre ny polisy ity farany, ary izy ihany no nanoro ny toerana mety hahitana ilay lehilahy nanome azy ireo vola sandoka ireo. Roa lahy izy ireo no nosamborin’ny polisy tamin’izany.
Niony H.